J'aimerais savoir le site web de l'enmg, les dates limites du dépôt des dossiers de candidature au concours, les dates de concours d'entrée à l'enmg.
Mes remerciements anticipés.
Hasina
Raha tsy manana 500.Million omena ny deba dia aza miheritreritra ny hanao concours izany fa heripo very maina asa anga hoe manana fianakaviana ngeza ao
zay ny tsy fantatra
Pas forcement! azo heverina tsara ny ho afaka amin'ny fahaizanao! za mpiasa mpanjakana fa tsy nanao an'izany aho! manome hery anareo aho manoloana ny fanadimp-panjakana izay ho atanareo, irariko mba hoafaka amin'ny faihaizantsika isika ary izay no lalana mitondra antsika miala amin'ny kolikoly!
Efa in-droa aho izay no niezaka nanao an'io fanadinana io, tsy afaka foana. Tamin'ny voalohany nanalako dia henoko hoe 80 M izy tamin'izany, aiza moa no ananako an'izany vola izany. Raha nanana an'izany koa ve aho tsy efa nahita zavatra hafa natao? Ny 250 mille hanaovako ny droit aza efa nanahirana ahy.
Vao tsy afaka tamin'ilay fanindroany aho dia tsy te hierika intsony, betsaka koa ny mahita lalana ...
Rehafa mahita ny olom-pantatro tafiditra aho dia te hanao fanadinana indray. Ary amin'izao aho,mbola te hanao fanadinana. Mieritreritra ny handray anjara aho amin'ny manaraka, asa angaha hoe hanao ahoana indray...? Izao aho dia efa mianatra. Ny documents no mbola vao hotadiaviko. Asa raha ho vonona aho mialoha ny fotoana. Ity fanjakana tsy milamina ity koa no anararaotan'ny olona hanaovana ny kolikoliny.
Miarahaba tsika rehetra !
Ny kolikoly tsy vao omaly no nisy ; aleo tsika tsy hanonofy ; fa anefa izao mahasahy mijoro na dia indroa ary zao ah no nanao fifaninana fa misy ihany koa ny afaka noho ny fiezahany .Marina fa ny fahandroany tany @ ENAM io , nampiahiahy ah ; fa tsy izany no hanakana aho andeha hatramin 'ny farany .Raha tsy misy ny olona sahy mijoro ;tsy manana vola sy harena ohatran 'ny sasany ; fa tsy afa'miankina afa -tsy ny herim-po sy saina sy ny fihezahany .Aiza ilay rariny sy hitsiny izay tokony fantatsika tsirairay avy ny maha -zava dehibe azy indrindra ny mpianatra lalàna ?
Ilaina ny fikirizana indrindra ny manoloana ny sarotra ; dia mirary soa ho antsika rehetra ho tafita soa @zay hiriana dia Andriamanitra anie homba ny lalantsika rehetra!
Tsy votery kosa oe risoriso vao tafiditra ENMG e, esory ao antsaintsika fotsiny zany fa manimba morale de ampiasao ny fahaizana fa tafiditra foana. Na izany aza tsy oe vao manao kosa anie de hotafiditra fa mba ikirizana kely koa
Aza kivy e!
AKORY ABY, aho aloha de tsy hijanona mihitsy raha tsy tratra ny tanjona na de efa dadabe aza, tsy misy resy tsy miady zany koa sady, ianarontsika tsara fotsiny ny procedures fa iny no tena mazana,